• 30 septembre 2022

Mbola tsy nahitana fidinany ny taha-pahafatesan’ny reny teto Madagasikara tao anatin’ny 20 taona, ao anatin’ny fahaterahana 100.000, dia mahatratra 406 ny reny namoy ny ainy teo am-piterahana, araka ny tatitry ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, nandritry ny famaranana ny fivoriana ara-tsiantifika notontosaina nandritry ny telo andro tetsy Anosy.

Nisy ny famoahana tondrozotra vaovao taorian’ity atrikasa ity, ahafana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny fampidinana ny tahan’ny tazomoka. Naravona nandritra io telo andro io ny vokam-pikarohana eny ifotony, ahafahana manova paikady, hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany, Zely Arivelo

Partagez :
Mahandry