• 30 septembre 2022

Zazalahy kely 9 taona no maty vokatry ny kapoka teo amin’ny lohany nataon’ny reniny tao Maroalakely Manakara. Araka ny loharanom-baovao tamin’ireo mpiara-monina manodidina dia nanao ny entimody tao an-trano ity zaza ity ny Alarobia hariva lasa teo,ka rehefa nahita ny fahadisoana nataony ilay reniny dia naneho ny hatezerany ka nikapoka mafy azy teo amin’ny lohany.

Nanomboka narary ilay zazalahy kely ny alin’ny alarobia ka ny alakamisy maraina vao noentina teny amin’ny hopitaly. Tsy tàna intsony moa ny ain’ilay zaza noho ny fahataran’ny fitsaboana araka ny voalazan’ny mpitsabo, izay fantatra fa nanao “emoragie interne”. Nandositra ilay reniny taorian’ny zava-nitranga.

Partagez :
Mahandry