• 30 septembre 2022

Fanatanterahana ny voalazan’ny lalàna no antony ampidirana anaty lisi-pifidianana ny olona voafonja mbola tsy misy didy raikitra manary ny zo maha olom-pirenen azy, hoy ny fanampim-panazavana nentin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), Dama Andrianarisedo. Misy, hoy izy, ny olona eny am-ponja nefa mbola tsy misy didim-pitsarana manameloka azy ho very zo. Mbola olom-pirenena ireny olona ireo, araka ny lalàna. Rehefa misy kosa ny sazy raikitra mivoaka dia esorina aminy ny zo hifidy.

Partagez :
Mahandry