• 29 septembre 2022

Miisa 18 ireo ekipa tafiakatra amin’ny dingana famaranana ny CHAN 2022 izay fiadianan’ny tompondakan’ny afrika andiany faha 7 ho tontosaina any Alzeria. Sambany i Madagasikara no tonga amin’izao dingana izao.

Ireto avy ireo firenena 18 tafiakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany: Alzeria (Mpampiantrano),Maroc (Tompondaka 2018, 2020),Libya (Tompondaka 2014).Senegal (Laharana fahaefatra 2009),Mali (Niatrika famaranana 2016, 2020),Maoritania (Fandraisana anjara fahatelo)Côte d’Ivoire (Laharana fahatelo 2016),Niger (Fandraisana anjara fahaefatra),Ghana (Niatrika famaranana 2009, 2014)Cameroun (Fahaefatra tamin’ny 2020),Congo (Fandraisana anjara fahaefatra),RD Congo (Tompondaka 2009, 2016)Ouganda (Fandraisana anjara fahaenina),Soudan (Laharana fahatelo 2011, 2018),Ethiopia (Fandraisana anjara fahatelo)Mozambika (Fandraisana anjara faharoa),Angola (Tompondaka lefitra tamin’ny 2011),Madagasikara (Fandraisana anjara voalohany)

Ny Sabotsy 1 oktobra 2022 izao no hotanterahina any Alzeria ny antsapaka hizarana ny vondrona isaky ny ekipa rehetra.

Partagez :
Mahandry