• 26 septembre 2022

Hamokatra herinaratra manomboka ny faran’ny volana oktobra ny milina faha 4 ao Andekaleka hoy ny filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny orinasa Jirama, Andriamanampisoa Solo androany 26 septambra. Hiampy 32 MW ny herinaratra hamatsiana ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Ho lasa 120 MW ny vokatra araka izany raha 96 MW amin’izao.

Efa vita avokoa ny andrana teknina. Tsy ho foana tanteraka ny fahatapahan-jiro mifandimby fa kosa misy hiatrehana ny fahavaratra ny fitomboan’ny vokatra. Anisan’ny antony mbola mampisy ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’izao fotoana ny maha ao anatin’ny vanimpotoanan’ny hay tany an’i Madagasikara. Voatery mitsitsy ny fampiasana solika ny orinasa Jirama.

Partagez :
Mahandry