• 15 août 2022

Manana tanjona ny hamokatra sary sy horonan-tsary ary hanangona ny antontan-kevitra sy hanatanteraka ny saritany amin’ny alalan’ny fampiasana « drone » ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary (Bngrc) ao Taolagnaro, Farafangana ary Vangaindrano.

Mba ho fanamafisana ny traikefa sy fahaiza-manaon’izy ireo amin’izany dia manatanteraka atrikasa ao Fianarantsoa izay hifarana ny 16 aogositra 2022 miaraka amin’ny Welthungerhilfe Madagascar (WHH) izay isan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Bngrc.

Mizara roa ny fampianarana sy fifampizarana, ny tapany voalohany izay notanterahina tanaty efitrano ary ny tapany faharoa kosa dia narahina fanazaran-tena amin’ny fampiasana izany eny ankalamanjana. Azo atao ny manatsara ny vaovao ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, indrindra eo amin’ny fisorohana izany amin’ny alalan’ny fampiasana ity teknolojia ity, araka ny fampitam-baovaon’ny Bngrc.

Partagez :
Mahandry