- 19 juillet 2022
Tetikasa Mionjo : Nanolotra vola mitentina 25 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena, hanarenana ny Tontolo iainana any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.
Ny ady amin’ny hain-tany , ny faharipahan’ny ala, ny tiomena, sy ny fambolena hazo amin’ny faritra midadasika, hatramin’ny 1 500ha no hatao amin’izany. Kendrena ny hanaovana »fixation de dunes » mirefy 3 000 ha ka »Brise-vents » mirefy 168km no hapetraka. Ao koa ny fanohanana ny »cantonnement » an’ny minisitera sy ny fametrahana tanin-janakazo afaka mamokatra zanakazo miisa 2 500 000, miaraka amin’ny fametrahana vovon-drano hanondrahana ireo zanakazo
Mponina miisa 1 400 000 avy ao Anôsy, Androy, ary Atsimo Andrefana (Kaominina miisa 235) no hisitraka mivantana ny tombontsoa avy amin’izany.