• 11 juillet 2022

« Tsy tokony ho io ny vidin’ny solika fa tokony hitovy amin’ny vidin’ny solika any amin’ireo firenena manodidina an’i Madagasikara. Nisy ny marimaritra iraisana nahatongavana tamin’izao » hoy ny minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Ramaroson Andry androany 11 jolay raha nihaona tamin’ny mpanao gazety.

Heverina fa sady zakan’ny kitapombolam-panjakana io no zakan’ny kitapombolan’ny mpandraharahan’ny solika koa.

Tsy mijanona hatreo ny fifampiresahana amin’ny mpandraharahan’ny solika. Anisan’ny zavatra mihetsika na miovaova indrindra ny vidin-tsolika hoy kosa ny tale jeneralin’ny OMH, Jean-Baptiste Olivier.

Partagez :
Mahandry