• 11 juillet 2022
Miatrika fivoriana ao amin’ny minisiteran’ny Fitanterana, ao Anosy, amin’izao fotoana izao ny tomponandraikitry ny Fitanterana sy ireo filohana kaoperativa samihafa. Mahakasika ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana no anton’izany fivoriana izany. Nanomboka ny maraina teo izany.
« Tsy mbola misy zavatra tapaka fa mbola mitohy ny adihevitra amin’izao fotoana izao », araka ny tatira ataon’ny iray amin’ireo mpandray anjara. Andrasana ny fanambarana hataon’ny tomponandraikitra, aorian’ny fivoriana.
Partagez :
Mahandry