• 11 juillet 2022

Manatanteraka ny « Symposium des magistrats » eny amin’ny CCI Ivato mandritra ny roa andro ny mpitsara eto Madagasikara. Izao marainan’ny alatsinainy 11 jolay izao ny hanokafana azy amin’ny fomba ofisialy, ary azo arahina mivantana amin’ny pejy Facebook an’ny minisiteran’ny Fitsarana.

« Ny mpitsara malagasy manoloana ny tamberinandraikitra andrasan’ny vahoaka » no foto-kevitra voizina mandritra ity hetsika izay eo ambany fiahian’ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny Fitompokasem-panjakana ity.

Partagez :
Mahandry