• 7 juillet 2022

Vaksiny Polio Faritra Sofia : Tanterahina eto Madagasikara ny hetsika fanaovam baksiny faobe miady amin ny aretina Polio na ny « kalemy » ho an’ny zaza latsaky ny dimy taona mandritry ny telo andro dia ny 7-8-9 jolay izao.

Ho an’ny Faritra Sofia dia teto Antsohihy no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy io maraina io.Tonga taty an-toerana ny sekretera Jeneralin ny Ministeran ny Fahasalamam-bahoaka, Dr YASMINE Lethicia, nanokatra izany ary nanamafy fa tanjona apetraka ny 95%n’ny zaza no tratrarina ho vita vaksiny  mba hamongorana hatramin’ny fakany ny aretina Polio eto Madagasikara.

Partagez :
Mahandry