Brèves

Nankatoavina teo amin’ny Antenimierampirenena androany zoma 1 jolay 2022 ny volavolan-dalàna laharana faha-012/2022 ny 30 jona 2022, mikasika ny fifanarahana findramam-bola amin’ny tetikasa fanatsarana ny ara-tsakafo “PARN phase II”, nosoniavina ny 28 jona 2022, teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny IDA.

Mitentina 44 100 000 dolara amerikanina ny famatsiam-bola ity tetikasa ity, izay fanohizana ny “PARN phase I”. Miompana amin’ny fialana amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny vehivavy bevohoka sy mampinono ny tetikasa ary Faritra 13 eto Madagasikara no misitraka izany.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer