• 28 juin 2022

Miisa 25 ny lozam-pifamoivoizana nitranga manerana an’i Madagasikara nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 25 sy 26 jona lasa teo araka ny tatitra nataon’i Kaomisera Radanielson Andry Ny Aina. Ny 16 tamin’iréo dia lozam-pifamoivoizana niteraka faharatrana olona 23 ny 02 kosa namoizana ain’olona 02, ary ny 07 niteraka fahapotehana fananan’olona.

Raha tsiahivina dia Polisim-pirenena miisa 3 781 no nahetsika tao anatin’izay fankalazana ny fetim-pirenena izay.

Partagez :
Mahandry