Ho fiatrehan’ny sehatry ny jono sy ny indostria amin’ny ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro dia notoloran’ny BNCCREDD+ (Bureau National des Changements Climatiques et de la REEDD+) fampitaovana ara- informatika sy « fournitures de bureau » ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana sy ny minisiteran’ny Jono, Toekarena manga androany faha 21 jona.
Mifampiankina betsaka ny minisitera telo tonta satria raha simba ny tontolo iainana dia misy fiatraikany ratsy amin’ny sehatry ny jono sy ny indostria izany, hoy ny tale jeneralin’ny indostria nandritry ny lanonana fanolorana ireo fitaovana ireo.Tanjona ny ahafahana manangona ireo atontan-kevitra izay ilaina amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena toy ny fifanarahana tany Paris ny taona 2015 mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro.
Hanampy amin’ny fampienana sy fanalefahana ny fampiasana entona manimba tontolo iainana ihany koa eo amin’ny sehatr’asa mahakasika ny jono sy indostria. Mbola hisy ny fampitaovana andiany faharoa ireto minisitera ireto ny volana Aogositra ho avy izao hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana loavainjafy, Abraham Rajaofetra Setraniaina