Economie

Ampy tsara hamaliana ny filàn’ny mpanjifa ny solika : tonga omaly ny sambo Hafnia Asia

Efa mihoatra ny 60 andro ankehitriny ny tahirin-tsolika eto Madagasikara miampy ny vao tonga izay noentin’ny sambo « Hafnia-Asia ». Ampy tsara hamalina ny filàn’ny mpanjifa izany araka ny fanambarana nataon’ny eo anivon’ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH).

Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 19 aprily araka ny efa voalaza tamin’ny 9 aprily io sambo io. Solika Super Carburant 18.000m3, sy Gasoil 52.000m3 ary solitany fandrehitra 3.500m3 no nentiny. Haparitaka manerana ny Nosy araka ny fandaminana ny famatsiana toy ny efa fanao ireo solika ireo.

Niakatra 15% ny filàna solika eto an-toerana tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2022 raha noharina tamin’ny fanjifana 2021 hoy ny tale jeneralin’ny OMH, Jean Baptiste Olivier . Momba ny vidin-tsolika indray, anjaran’ny fanjakana no mametra izany hoy izy. Mbola an-dalam-pandinihana izany ny governemanta sy ireo orinasa mpanafatra sy mpaninjara solika eto an-toerana.

Eo anelanelan’ny 22 hatramin’ny 26 may eo indray ity Sambo ity no hiverina hamatsy an’i Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer