• 25 mars 2021

Haparitaka manerana ireo faritra ianjadian’ny valan’aretina ireo fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana mandray mivantana ireo mararin’ny Covid-19. Hampitomboana ihany koa ny fitiliana hatao isaky ny toerana ahiana fa hiakaran’ny valan’aretina, ary homena fitaovana ireo toerana rehetra mandray marary any amin’ny faritra. Ankoatra izay dia hamafisina ihany koa ny fizarana fanafody maimaimpoana hoentina mitsabo eny amin’ireo CSB sy ireo toerana rehetra mandray marary isaky ny faritra. Tapaka nandritra ny filan-levitry ny minisitra ny 24 martsa izany.

Partagez :
Mahandry