• 22 novembre 2021

Hifarana ny faha-30 volana novambra ho avy izao ny fifanaraham-piaramiasa amin’ny fanamboarana ny kianjan’ny Barea. Miisa 16 ny antokon’asa ka ny 7,99% na 6 tapitrisa dolara mahery sisa no vola aloha amin’ny orin’asa Sinoa aorinan’ny fampihaingoana ny “gradin” sy ny fanajariana ny ivelany toy ny “stade couvert” mba hifanaraka ny fenitry ny kianja, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tetikasa tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety androany 22 Novambra.

Nohamafisiny fa voaloha ara-dalàna sy manaraka ny fifanarahana ny vola tamin’ny fanamboarana. Tsiahivina fa mitentina 77 387 000 dolara ny teti-bidy nanaovana ny kianjan’ny Barea ary misy antoka herintaona arahina “chèque de garantie” 5 isan-jato.

Partagez :
Mahandry