• 14 novembre 2021

Hisokatra amin’ny 1 ora ny vavahady rehetra etsy Mahamasina anio, amin’ny fifandonan’i Madagasikara sy Tanzanie. Mbola mitohy hatramin’ny 1 ora eny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano ny fizarana tapakila ho an’ny Gradin. Mifindra eny amin’ny foiben’ny FMF Isoraka ny fizarana izany, aorian’ny amin’ny 1 ora. Efa lany kosa ny tapakila ho an’ny Tribune. Tsiahivina fa maimaimpoana ny fidirana amin’ity lalao andro fahenina amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2022 ity.

Partagez :
Mahandry