• 13 novembre 2021

Nitsidika ara-pomba fanajana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara omaly maraina, notarihin’ny kardinaly Désiré Tsarahazana. Fitsidihana natao, taorian’ny fifidianana birao vaovao teo anivon’izany Fivondronamben’ny Eveka izany izy ity. Nampahafantarina ny Filoha, nandritra izany ny mpikambana vaovao, ahitana ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka: Monseigneur Fabien Ralamboniaina, Evekan’i Morondava ; Filoha lefitra : Monseigneur Rabemahafaly Fulgence, Arservekan’i Fianarantsoa ; Sekretera jeneraly : Monseigneur Randrianantenaina Gabriel, Evekan’i Tsiroanomandidy ; Sekretera mpandrindra : Ny pretra Séraphin Rafanomezantsoa. Nirary soa sy fahombiazana amin’ny asa sy izao andraikitra raisin’izy ireo izao ny Filoham-pirenena.

Partagez :
Mahandry