• 12 novembre 2021

Miaramila 4 mirahalahy no naratra vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo tany Antsalova, faritra Melaky sy taoa amin’ny kaominina Soaloka, faritra Menabe, ny alin’ny 11 novambra.  Nentina notsaboina ao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana izy ireo ary nampiasana ny angidimby an’ny Tafika.

Sarotra ny asa iandraiketan’ny mpitandro filaminana, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Rokotonirina Richard nandritra ny fitsidihany azy ireo androany; saingy tsy maintsy mitohy ny famongorana ny tsy fandriam-pahalemana.

Partagez :
Mahandry