• 11 novembre 2021

Tokony ho vita mialoha ny faran’ny taona ny fanamboarana ny lalana 19 km mahery, mampitohy ny kaominina Mahitsy sy ny kaominina Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, raha amin’ny volana marsa 2022 no fe-potoana voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra. Manaraka ny fenitra takina ny kalitaon’ny fotodrafitrasa, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy, Hatrefindrazana Jerry. Ny Orinasa sinoa ZHONGMEI GROUP no miandraikitra ny fanamboarana azy.

Nijery ny fizotran’ny asa fanamboarana ity lalana ity androany ny minisitry ny Asa Vaventy sy ny masoivoho sinoa miasa sy monina eto Madagasikara, GUO Xiaomei. Ny firenena sinoa no mamatsy vola ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity, ary nanamafy ny minisitra fa vonona amin’ny fanohizana sy fanatsarana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.

Partagez :
Mahandry