• 5 novembre 2021

Tapaka taorian’ny fikaonan-doha teo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana fa hifanome tanana ny rehetra amin’ny famongorana ny famotsiana taratasin’omby sy fitazomana basy tsy ara-dalàna. Nampitondraina ny anarana hoe “tagnamaron’ny fandriam-pahalemana” izao fifanomezan-tanana sy fiaraha-miasa izao.

Ilaina io fifanarahana io noho ity kaominina ity manana ny mampiavaka azy izay toerana tena hivezivezen’ny omby avy amin’ny faritra roa tonta. Ny omby novidiana tao amin’ny iray hamidy amin’ny ilany; mifangaro ny omby halatra sy ny omby tsy halatra, antony nametrahana io fiaraha-miasa io.

Tombofeno Zoralien.

Partagez :
Mahandry