• 3 novembre 2021
Rongony efa maina milanja 5 310 kg no sarona ary sahabo ho 1 320 000 fototra kosa no nopotehina izay hita nitsiry tanaty saha 11 ha nandritra ny hetsika ady amin’ny zava-mahadomelina notanterahan’ny zandarimariam-pirenena ao anatin’ny distrikan’Ambanja sy Ambilobe ny 22 oktobra ka hatramin’ny 02 novambra 2021.
Miisa 13 ireo olona voasambotra izay tompon’antoka tamin’ny fanondranana ireo rongony ireo ary hatolotra ny fampanoavana. “Hihamafy ny lalàna famaizana ho an’ny fihariana sy fanjifana rongony ato ho ato” hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena,satria manimba ny fiaraha-monina, na inona filaza na inona. Ho dorana avokoa ireo rongony voageja.
Fampitam-baovao ZP.
Partagez :
Mahandry