• 31 octobre 2021

Nitrangana doro-tanenty tamin’ny vahalavan’Andranomadio izay tsy lavitry ny renivohitr’i Tsiroanomandidy mihazo ny lalana RN1 mivoaka mankany Antananarivo ny folak’andro tokony tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any . Mpitsangatsangana nanipy afo no niatombohan’ny fahamaizana ka saika nahazo ireo trano vitsivitsy misy fiompiana ny afo raha tsy tonga haingana ny polisimpirenena namono ny afo tamin’ny ravinkazo sy izay zavanisy azo nampiasaina teo antoerana . Mila malina hatrany isika mpiarabelona fa mety hiteradoza ny toy izao raha tsy voavonjin’ireo mpitandro ny filaminana.

Tsy ny fandriampahalemana ihany no sahanin’ny polisimpirenena fa miaro sy manampy ny vahoaka amin’ny vonjy taitra miseho toy izao.

Jennifer Rabarison

Partagez :
Mahandry