• 21 octobre 2021

Ny kanton’ny tarika La Polifonica Di Tana no hampahafantarina amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra, ao amin’ny efitrano Charles Ravaloson, Ivokolo Analakely rahampitso 22 oktobra, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hiompana amin’ny fitiavan-tanindrazana ny seho hatolony. Tanjona hamerenana ny hasina sy ny lanjan’ny kolontsaina malagasy amin’ny ankapobeny. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto isaky ny sokajiny avy. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ity hetsika ity, izay fanao isaky ny zoma fahefatry ny volana, nanomboka tamin’ny taona 2019.

Partagez :
Mahandry