• 22 octobre 2021

Misy olona misandoka ho mpiasan’ny minisiteran’ny Jono ao Fenoarivo Atsinanana, manome alalana ny mpanjono hampiasa harato “ramikaoko” (senne de plage) raha mandoa vola 10 000 Ariary isaky ny harato aminy. Efa an-dalam-pikarohana io mpisandoka io ny polisy sy ny zandary amin’izao fotoana izao. Voararan’ny lalàna mifehy ny jono eto Madagasikara ny fampiasana io karazana harato ramikaoko io, ary mbola mitohy ny fanentanana ny mpanjono mba hampanara-dalàna ny asa fivelomany.

Partagez :
Mahandry