1989-2024: feno 35 taona ny Faribolana Sandratra

  • 5 janvier 2024

Velakevitra, tantara sy fampirantiana mampiseho sy manasongadina ny literatiora malagasy no hanamarihana ny faha 35 taona niorenan’ny Faribolana Sandratra, amin’ity taona ity.

️35 taona nanandratana ny kanto

35 taona namelomana ny teny malagasy ny Faribolan’ny poeta sy mpanoratra « Sandratra ». Velakevitra  mahakasika ny tantaran’ny Faribolana Sandratra, arahina karazana  seho sy fanentanana samihafa no hankalazana  izany ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny Alakamisy 11 Janoary 2024 izao manomboka amin’ny 2ora sy 30mn.  »Sandra-kalo, zara fanahy » no teny filamatra entina hanamarihana izany.

Ankoatra ny lanonam-panokafana dia hisy koa ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpikambana mendrika sy ny fanaovana boky iraisan’ny mpiraifaribolana. Hisy koa ny fampirantiana sy sy seho samihafa ho an’ireo faritra ahitana sampana manerana ny Nosy.

Ny taona 1989 no niorina ara-dalàna ny Faribolana Sandratra. Fanandratana ny literatiora Malagasy sy ny zakanto vita amin’ny teny no antom-pisiany. Niisa 9 ireo mpanorina ny faribolana sandratra tany am-piandohana miampy an’i Lydiary, Solofo José, A.R.Ni ary Elie Rajaonarison Elie izay samy efa nodimandry. Maherin’ny 400 kosa ireo mpikambana manerana an’i Madagasikara ankehitriny.

Boky iraisana sy seho aman-jatony no tontosa, ankoatra ny vela-kevitra sy fitetezana sekoly hatramin’ny niorenan’ny Faribolana Sandratra hanandratana ny teny Malagasy sy ny fampandrosoana ny firenena. Mamokatra Gazety literera miahy tena “Ambioka” koa ny Faribolana Sandratra izay natao ho an’ny mpianatra sy ny mpankafy haisoratra rehetra.

Partagez :
Mahandry