• 7 octobre 2021

Hamahana ny olan’ny fahatapahan’ny rano sy ny jiro matetika aty Fianarantsoa dia nidina ifotony nijery ny toby famokaran’ny JIRAMA Ampopoka ny avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo.

Eo amin’ny lafiny fanazavana ny tanàna, avy hatrany dia nametahana jiro ny fokontany Ankofafa sy Ambalakindresy. Fokontany anisany nafampana tamin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Mbola hisitraka ny anjarany moa ny fokontany hafa.

Ankoatra izay, napetraka nandritry ny fandalovan’ny tale jeneralin’ny Angovo taty Fianarantsoa ny groupe goavana ao amin’ny Fonja Volamena distrikan’i Lalangina.

L.N.

Partagez :
Mahandry