• 23 septembre 2021

Hanome asa ny mponina ifotony, hanatsarana ny fari-piainany ny ministeran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana sy ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara. Tetikasa hiarahan’ny roa tonta natao indrindra hampivelarana ny vehivavy sy ny tanora eo amin’ny velontenany izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ”zones pépinières” mirefy 2 000 m2 isaky ny tanàna , ahafahana mioty vokatra sy akora eny ifotony.

Eo ihany koa ny fametrahana toerana natokana ho an’ny fanodinana ara-indostrialy sy ny fametrahana faritra ara-ekonomika manokana ary ny faritra hiarahana amin’ny mpiara-miombonantoka.
Vonona ny minisitera hanohana ny vondron’ny mpandraharaha malagasy, sy hanamora ny dingana ho lalovan’ireo mpandraharaha, raha ny nambaran’ny minisitra tomponandraikitra, Razafindravahy Edgard.

Partagez :
Mahandry