• 2 septembre 2021

Ny Emmoreg sy FDS TC no mandray an-tanana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana eo amin’ireo toerana 6 ao amin’ny boriboritany 6 nametrahana « fun zones » eto Antananarivo izay hanarahana mivantana ny fifanandrinana eo amin’ny Barea-n’i Madagasikara sy ny Écureuils an’i Bénin. Ao amin’ny boriboritany voalohany, dia eo amin’ny Place Jean Ralaimongo manoloana an’ny hotely Glacier no hametrahana izany. Ho an’ny boriboritany faharoa dia eo amin’ny parking Ambohipo. Ho an’ny boriboritany fahatelo dia eo amin’ny “terrain foot” Betongolo. Ho an’ny boriboritany fahaefatra dia eo Namontana. Ho an’ny boriboritany fahadimy dia eo amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia eo amin’ny Coliseum ary ny boriboritany fahaenina dia ao Ambohimanarina.

Partagez :
Mahandry