• 2 septembre 2021

Samy hivantana ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy sy ny Televiziona Malagasy avokoa ireo fotoana telo lehibe mahakasika ny kianjan’ny Barea sy ny baolina kitra tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana Mondial 2022. Voalohany amin’izany ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisaly ny kianja Barea any Alakamisy 2 Septambra izay manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, faharoa ny lalao voalohany ao amin’ny kianja Barea hifanandrinan’I Barea Madagasikara sy ny Ecureuil an’ny Bénin izay amin’ny 7 ora hariva, ary ny fahatelo farany dia ny lanonana goavana fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea miaraka amin’ny vahoaka malagsy ny Sabotsy 4 Septambra izay manomboka amin’ny 1ora tolakandro.

Partagez :
Mahandry