• 1 septembre 2021

Namafisina ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely ary ny kaominina Ankadikely Ilafy noho ny fisian’ny Rocade Iarivo, fananana iombonan’ireo kaominina telo ireo.

Nanao soniam-pifanarahana  ny ben’ny tanàna telo avy amin’ireo kaominina ireo  androany, ny amin’ny hitandroana ny fahadiovana amin’ny lalan’ny Rocade Iarivo, sy ny hitandroana ny fandriam-pahalemana, fa indrindra  ny fiarovana ny soa imbonana amin’iny faritra iny. Tsiahivina fa vola mitentina 62 000 000 Euros no nanamboarana ity fotodrafitrasa ity.

Partagez :
Mahandry