• 30 août 2021

Miantso ireo izay maniry hivarotra sakafo tohan’aina mandritry ny fitokanana ny Kianja Barea ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mba handalo mialoha eny amin’ny Lapan’ny ’ny Tanàna Analakely, varavarana fahatelo, rahampitso 31 Aogositra sy ny Alarobia 1 Septambra, amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro. Takiana amin’izany ny karapanondrom-pirenena voamarina ara-dalàna sy ny fanamarinam-ponenana .

Izay mahafeno fepetra mikasika ny fahadiovana sy ny ara-pahasalamana ihany no ho raiketina ary voafetra ny isan’ny toerana. Raha tsiahivina, afaka mitondra sakafo eny an-toerana ireo mpanatrika ny lanonana, arakin’ny nambaran’ireo tomponandraikitra. Efa misy ihany koa ny trano fisakafoanana sy ny « Food Court » ao anatin’ity fotodrafitrasa vaovao ity.

Partagez :
Mahandry