• 28 août 2021

Hifarana rahampitso alahady 29 aogositra ny fitsarana miaramila ho an’ny boriboritany  enina eto Antananarivo Renivohitra. Raha ny teo amin’ny vehivavy no resahina dia ambony dia ambony, toy ny tamin’ny taon-dasa, ny taham-pahavitrihina.

Amin’ny 12 ora tolakandro no fandraisana farany ireo olona 19 ka hatramin’ny 31 taona (lahy sy vavy) etsy Betongolo.  Ho an’ireo faritra ivelan’ny renivohitra dia afaka jerena eny anivon’ny biraon’ny distrika ny daty hanatanterahana ny fitsarana miaramila.

Partagez :
Mahandry