• 24 août 2021

Midina ifotony mijery ny fomba hafa hisorohana ny afo sy ny mety hiparitahan’ny afo amin’ireo tany rakotra ala na faritra arovana ny teknisianin’ny ministeran’ny Tontolo iainana amin’izao. Anisan’izany ny fametrahana fitaovana famonoana afo na “extincteurs” amin’ireo toerana nirehatra vao tsy ela, toy ny tao Tampoketsa sy ny tao Ampirarazana, Ankazobe.

Ho fanampin’izany dia jerena ihany koa ny paik’ady amin’ny rivotra mahery izay mahasarotra ny famonoana ny afo raha sendra misy doro-tanety, hoy ny fitaleavana misahana ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy eto Analamanga.

Partagez :
Mahandry