• 23 août 2021

Mbola tsy manomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ao Antsiranana. Nitokona nohon’ny fitakiana tambi-karama (vacation) 2020, nanomboka ny 18 Aogositra lasa teo, ireo mpitsara fanadinana kanefa nilaza efa nandefa izany, ny 10 Aogositra 2021, ny Minisiteran’ny ’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, araka ny fanambarany ny 19 Aogositra. Androany 23 Aogositra 2021 dia nilaza ny teo anivon’ny Governoran’ny faritra Diana fa hanatanteraka fifampiresahana miaraka amin’ireo mpitsara fanadinana mba hirosoana haingana amin’ny fitsarana.

Partagez :
Mahandry