• 20 août 2021

Nisokatra ara-pomba ofisialy ny 20 aogositra 2021 ny lalaon’ny Melaky “Tomakoly” andiany faha-32. Ity hetsika ity dia natao indrindra hanentanana ny tanora mba hirona bebe kokoa amin’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina amin’iny faritra iny. distrika dimy (Maintirano, Bekopaka, Antsalova, Tambohorano, ary Morafenobe) no nahatonga solon-tena amin’izao andiany izao.
Hita amin’ny lalaon’ny melaky 2021 ny fifaninana samihafa toy ny Baolina kitra, ny basikety, ny judo, ary koa ny fanehoana ireo dihy sy hira ary vako-drazana mampiavaka ny faritra izay andraisan’ny tanora maro anjara.

Partagez :
Mahandry