Zotra nasionaly : ilaina ny fampiofanana ireo mpamily

- 13 novembre 2023
Ny fampiofana ireo mpamily irery ihany no tena vahaolana maharitra manoloana ny loza hita eny amin’ny zotra nasionaly araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny gara Maki. Namafisin’i Antony, mpamily ao amin’ny zotra nasionaly iray, ny maha zava-dehibe izany fampiofanana karakarain’ny ATT izany. “Betsaka hoy izy ny zavatra tsy hay raha tsy mandalo anatin’izany fiofanana izany” ary lasa manana fitandremana manokana ny mpamily.
Tsy latsa-danja amin’izany koa anefa ny fikojakojana ny fiara. Ny resaka “train avant” amin’ny ankapobeny no tena mila fanamboarana matetika raha ny nambaran’I Heritiana, mpanamboatra fiara mpanao zotra nasionaly teny Ambodivona. Mila fitiliana isaky ny tonga eny amin’ny tobim-piantsonana araka izany ny fiara iray izay tsy voatery ho misy fahasimbany. Misy antoka kokoa ho an’ny mpandeha ny fahavitana izany ara-dalana hoy ny mpamily.