Zom-pirenena: tsy tokony hosingantsinganina ny andinin-dalàna mba tsy hisian’ny ady hevitra diso, hoy ny filoha Andry Rajoelina

- 17 juillet 2023
Manaiky ary nanamafy ny fananany taratasy manamarina ny fizakany zom-pirenena frantsay nanomboka ny taona 2014 ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina ny alahady 16 jolay 2023. « Tsy nafenina izany hatry izay saingy tsy voatery hotenenina no tsy nisy nanontany rahateo. Didim-panjakana mivoaka amin’ny fanapariaham-baovao ofisialy (journal officiel) toy ny rehetra io ka tsy marina ny filazana fa nafenina. » Efa taorian’ny ny naha filohan’ny fahefana avon’ny tetezamina azy no nahazoany an’ity zom-pirenena vahiny ity.
Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa zony noho ny fananany dadabe efa nizaka ny zom-pirenena frantsay ny fangatahana azy io. Ny mba hanamorana ny fahafahan’ny zanany manohy fianarana no antony nirosoany tamin’ny fangatahana azy.
Ny lalàna eto amintsika no milaza fa fangatahana an-tsitrapo avy amin’ny olom-pirenena voakasika ary soniavin’ny filoham-pirenena vao afaka manary ny zom-pirenena. « Tao anatin’ny 4 taona mahery nitondrako ny tetezamita sy izao 4 taona mahery niverenako amin’ny fitondrana izao dia tsy mbola nisy malagasy mizaka zom-pirenena vahiny na iray aza nangataka ny hanary ny maha malagasy azy », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Maro aza ny miantsoantso hoe aza ovaina io lalàna io fa ny zom-pirenena no maha malagasy anay ka tsy foinay hariana, hoy hatrany ny filoha. Tsy tokony hijanona amin’ny andininy faha 42 ihany, hoy izy ny famakiana sy fampiharana io lalàna momba ny zom-pirenena io fa mifampiankina hatrany amin’ny andininy faha 43 – 45, ary mila jerena koa ny andininy faha 90.
Tsy misakana ny fitiavan-tanindrazana, ary tsy mibaiko ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra ho an’ny firenena ny fananana zom-pirenena vahiny hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Ohatra maro any ivelany sy teto Madagasikara no noraisiny nanaporofoana fa tia tanindrazana ary nametraka tantara tsara ho an’ny fireneny ny olona na dia mizaka zom-pirenena hafa aza.