Spread the love

Misy karazana ndraikitra mampahaleo tena kokoa ny Zanadarimariam-pirenena amin’izao fiovana ho minisitera delege izao, hoy ny minisitra vaovao, ny jeneraly Andry Rakotondrazaka. Voakasik’izany ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny asa. Tsy maintsy apetraka , hoy ny minisitra, ny paikady vaovao anatsarana ny fandriam-pahalemana.

Laharam-pahamehana ny fametrahana amin’ny laoniny ny maha tan-dalàna an’i Madagasikara ; ny fidirana matetika amin’ny sehatra maro , indrindra ny ambanivohitra. Hanao ezaka manokana hampandriana fahalemana any amin’ny tantsaha ny zandary mba hahafahan’izy ireo mamokatra, anatrarana ny vinan’ny fitondrana. Voakasik’izany ny mpiompy, sy mpamboly sy ny maro hafa. Teboka tsindriana manokana koa ny ady amin’ny kolikoly. Na anatiny izany na ivelan’ny Zanadarimariam-pirenena.

Tontosa teny Ampahibe androany 16 janoary 2024 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zanadarimariam-pirenena teo aloha , ny jeneraly Gellé Serge, sy ny minisitra delege misahana ny Zanadarimariam-pirenena vaovao , ny jeneraly Andry Rakotondrazaka. Samy nanamafy ny roa tonta fa ilaina foana ny fanakianana sy Fitsarana avy amin’ny olompirenena mba hanatsarana hatrany ny asa. Mampihatra ny lalàna sy miaro ny vahoaka ny zandary, hoy izy ireo. Nankasitraka ny filoha sy ny praiminisitra ny SEG teo aloha tamin’ny fitokisana nitantanany nandritra ny 2 taona sy 5 volana ity departemanta ity.

By Romuald

Laisser un commentaire