YALI : tanora 10 no hanaraka fiofanana atsy Afrika Atsimo

- 23 mai 2023
Vehivavy Malagasy miisa 10 no voafantina hisitraka ny programa « Yali Regional Leadership Center South Africa » andiany faha-22.
Efa any Afrika Atsimo izy 10 mirahavavy rehefa nahavita fiofanana ampitain-davitra nandritra ny 3 herinandro.
Hanaraka fiofanana mikasika ny « Public Management » sy « Civic Engagement » mandritra ny 3 herinandro indray izy ireo araka ny fampitam-baovao.
Raha tsiahivina dia miisa 30 ireo tanora Malagasy mpitarika no efa nanaraka fiofanana tany Afrika Atsimo tamin’ny alalan’ity programa ity.
Mahandry