Voice of Global South Summit II : fampiasana angovo azo avaozina

- 18 novembre 2023
Nanomboka ny 17 novambra 2023 ny Voice of Global South Summit (VOGSS) andiany faharoa, fivoriana niarahan’ireo Minisitra avy amin’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimo. Any Inde ny fihaonana ary nandray anjara tamin’izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitaindavitra
Noresahany nandritran’ny fandraisam-pitenenany ny momban’ny fifindrana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina sy ny fifaninanana amin’ny fitrandrahana ireo singa ilaina ampiasaina amin’izany fiovana izany. Ilaina hoy izy ny fivondronantsika firenena mpamokatra ireo singa ireo ety amin’ny elabolan-tany atsimo mba ahafahana mampiroborobo ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ara-teknolojika ka hanodinana ireo singa ireo aty amintsika ihany ary hitarika ny fampivoarana ny maha-olona.