Vohipeno : fianakaviana 1400 nisitraka fanampiana ara-tsakafo

- 3 novembre 2023
Fianakaviana 1200, ahitana olona 8000 , ao anatina kaominina folo ao amin’ny distrikan’i Vohipeno no nisitraka tosika ara-tsakafo avy amin’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny BNGRC. Voasokajy ho marefo noho ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy tao anatin’ny roa taona izy ireo. Fianakaviana 200, ahitana olona 1200 koa, ankoatra izay, no nahazo fanampiana tao Vohipeno. Olona tratran’ny hain-trano farany teo izy ireo, araka ny voalazan’ny tomponandraikitra.
Fanampiana ara-tsakafo milanja 29, 400 taonina no natokana ho azy ireo . Tanjona ny hahafahany mioitra taorian’ny fahavoazana nianjady taminy. Ilay fanampiana avy tamin’i Arabie Saoudite no nanomezana azy ireo, hoy ny BNGRC. Tonga niaraka tamin’ny ekipan’ny BNGRC tany an-toerana araka izany ny solon-tenan’ny saodianina.
Tafiditra ao anatin’ny hetsika « Caravane humanitaire » izay tarihin’ny BNGRC sy ireo mpiara-miombona antoka aminy izao fanampiana izao. Naterina isaky ny kaominina voakasika ny fanampiana ary nozaraina ampahabemaso toy ny efa natao hatramin’izay.
mialy