Velona ny Hiragasy : hisy fampisehoana isan-kerinandro etsy amin’ny kianjan’ny Hiragasy Anosy

  • 30 juillet 2023
Mahazo sehatra malalaka manomboka eto ny mpisehatra amin’ny Hiragasy. Hisy ny fiakarana an-tsehatra izay hotanterahina isan-kerinandro etsy amin’ny kianjan’ny Hira gasy ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Notokanana androany 30 jolay ny Kianjan’ny hiragasy, izay natsangan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, araka ny fangatahan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina .
Ankoatra ny kianja izay misy ny trano fiomananan’ny mpiantsehatra, natsangana eo an-toerana koa ny biraon’ny Federasionan’ny Hiragasy.
Antony nananganana ity toerana ity ny fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy. Vakoka ara-kolontsaina, manan-karena, misy hainteny maro, dihy, kabary, mifono fahalalana sy fitaizana samihafa ny Hiragasy, ankoatra ny maha fialam-boly azy.
Tsy nanana toerana iantseherana ny mpanao Hiragasy efa an-taonany maro. Efa ela no naniry sy nangataka ny hananganana azy io izy ireo. Tanteraka izany nofinofy izany ankehitriny satria namaly ny faniriany ny minisiteran’ny Kolontsaina.
« Manana lanjany lehibe satria mampamiratra an’i Madagasikara tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany ny Hiragasy » hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy. Andrasana amin’ny faran’ny taona ny fankatoavana ny Hiragasy ho lasa harem-bakona iraisan’ny zanak’olombelona. Efa napetraky ny minisitra tany Parisy tamin’ny volana aprily 2022 ny fangatahana.
Tsiahivina fa tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, teny Ankadifotsy, no nisy mpilalao sy mpiangaly Hiragasy voalohany, ary ny eto afovoan-tany no tena havanana tamin’izany. « Mpamelon-tsena » no niantsoana ny mpanao Hiragasy fahiny. Tamin’ny Repoblika voalohany kosa no nipetraka ny anarana hoe “Mpihira gasy”, satria io no fitaovan-tserasera nampiasain’ireo tomponandraikitra ambony tamin’izany andro izany.
Partagez :
Sissie Raveloson