Vakinankaratra : olona 2.340.000 hisitraka vaksiny miaro amin’ny lefakozatra

- 25 juillet 2023
Ho an’ny Faritra Vakinankaratra manokana olona 2.340.000 isa no kendrena hisitraka ny vakisiny miaro amin’ny lefakozatra amin’ity andiany ity. Daozy indroa atete amin’ny vava isan’olona no atao.
Raha ny fantatra, anisan’ireo Faritra nahitana trangana fiverenan’ny aretina lefakozatra indray i Vakinankaratra. Saika olon-dehibe avokoa no lasibatra tamin’izany.
Aretina mitarika fahalemen’ny hozatra ny « polyomélite », ary mety hiteraka fahafatesana raha tsy voatsabo. Ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny Lefakozatra ihany no fanefitra iadiana sy hamongorana ity areti-mandoza ity hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy nanoloana ny Gara Antsirabe ny faha 24 jolay ny hetsika izay aharitra 4 andro ary nialoavana diabe niainga teo amin’ny Tranompokonolona.
Nisantatra ny fanaovam-baksiny sy nanome ohatra ny vahoaka ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao Antsirabe.