« Tsy maintsy mizotra makany amin’ny fifidiana isika. »

  • 21 septembre 2023

Miantso ny rehetra hiaraka hanatanteraka ny fifidianana ary mangataka ny mpanao politika, ny fiaraha-monim-pirenena , ireo mpanaramaso ny sehatry ny fifidianana vahiny sy ny eto an-toerana ary ny olom-pirenenana hanara-maso ny vokam-pifidiana izay hivoaka amin’izay rehetra fifidiana hisy sy hifandimby eto madagasikara ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany, Holder Ramaholimasy nandritra ny fizarana karatany faobe notanterahana tany Ambanja.

« Tokony ho saro-piaro amin’ny safidiny ny tsirairay ka samy ho vonona amin’ny fanaraha-maso ny latsa-bato sy ny fanisana azy manomboka eny anivon’ny birao fandatsaham-bato ika hatrany amin’ny vaomierana manokana misahana ny fififdiana » hoy izy. « Anjaran’ny vahoaka malagasy no tokony hiteny amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fififdiana fa tsy ireo mpanao politika izay mandifotra ny vahoaka ankehitriny.

Ny vahoaka no misafidy izay mpitondra tiny hitondra azy fa tsy izay tian’ny mpanao politika » hoy hatrany izy. Karatany mihoatra ny 1300 vokatry no nozaraina ny mponin’Ambanja ny 20 septambra.

Partagez :
Sissie Raveloson