Tsifanjariantsakafo any atsimo : mitondra ny anjara birikiny ny fiangonana

- 8 juin 2023
Vokatry ny fiaraha-miasa fiangonana sy fanjakana dia hisitraka fanampiana avy amin’ny Fiangonan’I Jesosy Kristy ho an’ny Olomasina amin’ny Andro farany ny faritra Atsimo Andrefana sy Atsimo Atsinanana.
Nanatitra vary 370 taonina, menaka 35000 litatra, voamaina 120 taonina, sceau 35000 teny anivon’ny Birao Nasionaly fitantanana ny loza sy tandindon-doza (BNGRC) androany 8 jona ity fiangonana ity.
Hozaraina avy hatrany amin’ny faritra hiaran’ny tsifanjarian-tsakafo sy noho ny fandalovan’ny Rivodoza farany teo dia I Freddy sy Cenosoa ireto fanampiana ireto.
Hiainga rahampitso ny kamiao 4 na 5 eo hiazo ny faritra Atsimo Atsinanana. Handeha hatrany amin’ny kaominina lavitra sy saro-dalana indrindra ny ekipa manatitra ny fanampiana. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana manokana, ny sabotsy no hiainga ny « caravane » hanatitra ny fanampiana. Hisitraka izany manomboka ny 13 jona ny mponina ao Sakaraha sy Toliara II , ny ao Kilimalinika, Ankililaoka, Soahazo, Ambiky ary Antanimeva Befandriana.
“Tsy mijery ny ara-panahy ihany ity fiangonana ity fa mijery koa ny mikasika ny ara-nofo” hoy ny mpitarika ny fiangonana.
“Tsy vao androany no nanampy ny vahoaka Malagasy ity fiangoanana ity. Tsy miandry rahateo ny antso hataon’ny fanjakana Malagasy. Ny vaovao nahenoany ny fisian’ny tsy fanjariantsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no nanosika azy ireo hanao izao fanampiana izao” hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly RahajanirinaElack Olivier.