« Trano mora » Nosy be sy Morondava : vita ny fisarihana ny olona hisitraka ny trano

  • 10 octobre 2023

Betsaka no nisoratra anarana hisitraka trano mora tao amin’ireo tanàna roa ireo. Manosika ny fanjakana  hanoy ny tetikasa  tolotra trano fonenana izany hoy ny Sekretaram-panjakana miadidy ny Tanana vaovao sy Trano fonenana. Natao tanatin’ny mangarahara ary  natrehin’ny vadi-tany ny fisarihana  Ireto no cités voalohany tao Tsararivotra Nosy Be.

Nifanindry andalana tamin’ny fisarihana dia nisy ny fametrahana  vato fototra ny “immeuble mora” aorina eo an-toerana.  Manaraka ny fenitra sy ny kalitao ireo trano fonenana rehetra vita. Hanomboka ny fanajariana ny ivelany  dia ny fefy, jiro, rano, zaridaina ny tomponandraikitra. Tsy ho ela dia vonona tanteraka ary ho afaka hipetrahan’ireo voasarika ho tompon’izany ny toerana  izany.

Partagez :
Sissie Raveloson