Spread the love
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 24 jolay 2023 tao Belitsake, Belalanda, Toliara ny tetikasa “ceinture verte” ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Laloasy, lalanda ary akao no nambolena niaraka tamin’ny mponina eny ifotony. Tanjona ny hihazonana ny dongom-pasika ao Belalanda tsy hitatra ka hamotika ny fotodrafitrasa sy ny fambolena ao an-toerana.
Tetikasan’ny filohampirenena Andry Rajoelina ity “ceinture verte ” ity, tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny PME-SUD, vatsiny Banky iraisam-pirenena vola. Ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy (MEDD) sy ireo mpiara-miombonantoka toy ny CRS sy Fondation tany meva no manatanteraka azy.
Afa-po ny mponina noho ny asa azon’izy ireo amin’ny alalan’ny tetikasa. Eo koa ny tontolo iainana voaro.
Nanokatra izany ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy Vina Marie Orléa sy ireo tomponandraikitra isan-tokony.

Laisser un commentaire