Toamasina : Nibata ny amboara « Coupe du maire » ny ekipan’ny Arc en ciel

  • 10 octobre 2023

Ny FC Arc-en-ciel no  nandrobaka ny amboara teo anatrehan’ny ekipa ESPOIR Tsarakofafa tamin’ny isa 4 sy 2  nandritry ny Tournois ady omby « COUPE DU MAIRE », natao tao amin’ny kianja fasika stadium Barikadimy Toamasina. « Hahitana ny fahaizamanaon’ireo tanora aty amin’ny  faritra Toamasina, hijerena ilay tanora manana ny traikefa,  eo koa ny hisian’ny firaisan-kina eo amin’ireo mpilalao sy ny vahoaka no tanjona  » hoy ny ben’ny tanàna.

Notsindriany fa anisan’ny nentiny nandrariany ny fihavanana tao Toamasina ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. « Zava-dehibe izao fifaninana izao, mba tsy hahatarika ireo tanora aty Toamasina any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, fangalarana, fandravana ny madinika » hoy kosa ireo mpandray anjara.

Partagez :
Carinah Mamilalaina